4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Noely fiainana - Patty

NOELY FIAINANA

Misy antso miantefa ao an-tratra

Bitsibitsika mora ao am-po

Jesoa Tompo ilay tsy mahafoy anao

no miantso hamafy ny soa

Koa mitsangana herezo ny saina

Torio ilay fitia

Ataovy tonga nofo i Jesoa Tomponao

Ho an’ireo namanao.



Fiv.: Satria Noely ny fiainanao

       Noely ny fiainanao

       Rehefa aminao i Jesoa

       Noely ny fiainanao

       Noely ny fiainanao

       Rehefa sendao ilay fitia

        Dia mitsiky ianao, mitsiky ianao

        Raha misy manjo

        Tsy mba sasatra mamafy ny soa

        Satria noely ny fiainanao

        Noely ny fiainanao

        Fa tonga nofo i Jesoa.



Mideza ny lalan-kombana

Ary hanenjika ny olon-tsy tia

F’ianao tsy resy resena

Fa satria miahy ilay Tompo tia anao

Ny fijaliana hisedra ny sainao

Fa dia matokia

Ho gaga sy ho talanjona izay mahita anao

Tsy mba sasa-mitia.

       PATTY (Ny Ainga)



        

Partager noely fiainana

Commenter noely fiainana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Patty