4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry ampitso - BARIJAONA

Ry ampitso ô ! Ry ampitso ô nahoana ?

Ô Ô nahoana no miery lavitra ahy ?

Ry ampitso e mirenireny foana

Mirenireny foana ’zato ambiroam-panahy



Te-hahita tambitamby, tambitamby

Saingy asa kosa izao, asa izao

Ry ampitso mpampitamby,

Inona e ny rakitrao? Inona e no rakitrao ?



Ry ampitso ô, meteza hanambara

Irony andro ho avinao ve andro tsara ?

Hampandositra ny tebin’ahiahy

Hampilamina ny saina sy fanahy



Ry ampitso izay miery takona any

Fantatray fa tsy ho foana e ny tomany

Saingy nisy ireo nitondra fahoriana ô

Iantsoana anao ry ampitso, ivimbino fifaliana

Partager ry ampitso

Commenter ry ampitso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BARIJAONA

Suite