4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho anao no ikaloako - BARIJAONA

Ho anao no ikaloako ‘zao hira izao,

Ho fahatsiarovana ny andro fahizay,

Fony izaho sy ianao nivoady ny ho doria,

Tsy ho arahina talaho,

Fa ho hajaina ilay fitia.

Tsaroako izany teo amoron’ny farihy.

Nanatri-tava teo ny andiam-boron-dia,

Nanasa antsika mba hisariaka,

Hanamafy ny dinan’ny tiana sy ny tia.



Tsy ho adino irony loka sy fanamby

Niaro tsiky, safosafo, tambitamby;

Nampiana kalo mba tsy himalo,

Tsy ho atakalo

Ny rendrarendra izay mandalo.

Partager ho anao no ikaloako

Commenter ho anao no ikaloako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BARIJAONA

Suite