4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manimanina - BARIJAONA

Manimanina aho izany

Manina ilay akany

Toa mitanisa fahoriana

Tafasarak’ireo hava-tiana

Dia manjombona tsy satry

Ny fiainako rehetra

Misy hery ato anaty

Izay manery tsy hitoetra



O! ry volana ao ambony

Ity sentom-poko tsy hitony

Fa manjary hankarary

Fa e! manembona aok’izany

Ilay any tiana any ho any

Fantatro f’izy koa anie tomany

Ry volana o!



Dia manembona aho izany

Manonofy tsy hita lany

Mitambolombolona ato an-doha

Ny tandindon’ireo taloha

Neny Dada tsy lazaina

Sy ny menaky ny aina

Vady tiana andefimandry

Zoky zandry sasa-miandry

Partager manimanina

Commenter manimanina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BARIJAONA

Suite