4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Havako anie izy izay - BARIJAONA

Havako anie izy izay eny havako

Ny anarany mantsy dia tsy afaka ambavako

Maro ireo kinta-mamiratra roy o!

F’iny havako iny dia sarotra hafoy



Havako anie izy izay eny mamiko

Na ratsy na tsara dia izy no laniko

Nomeko ny foko nomeko hanjakainy

Ka asany kosa raha ho ravaravainy



Havako anie izy izay izy irery

Raha lavitra azy ny saiko dia very

Ny sariny mantsy voasikotra anaty

Tehiriziko tsara ao am-po mandra-maty o!



Havako anie izy izay eny tiako

Tiako dia tiako fanilon’ny diako

Hokolokoloiko sy ataoko andry maso

Fa be ireo mpisompatra sy mpanao ankaso

Partager havako anie izy izay

Commenter havako anie izy izay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BARIJAONA

Suite