4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay fasana faharoa - BARIJAONA

'Lay fasako, fasana ihany

Fa ny foko dia fasana koa

Io no fasako ivelan'ny tany

Io no fasana iray faharoa



Tsy mba vero na mba rangolahy

No manafina io fasana io

Fa ny nofoko zary manahy

No mandrakotra ny omaly sy ny anio



Sentosentoko mamelovelo

Ranomaso, toloko tsy tana

Izy ireny no sarin'avelo

Nitampody ka sarotr'ialana



Ao ny nofy no volavolaina

'Zay nisinda na nafoy tsy hita

Ao no rendrika ilay natenaina

'Lay sambo natao ho tafita



Ao tsantan'ny andro taloha

Sy ny hiran'ny fahazazako

No nilevina ka tsy nifoha

Na niverina mba hitondra afo



Sentosentoko mamelovelo

Ranomaso, toloko tsy tana

Izy ireny no sarin'avelo

Nitampody ka sarotr'ialana

Partager ilay fasana faharoa

Commenter ilay fasana faharoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BARIJAONA

Suite