4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ndeha hilalao - BARIJAONA

(duo lahy sy vavy)

     He tomarataratra ilay volana eny ambony toa miantso :

     Ndeha hilalao, ndeha hilalao

     Ny kintana amin’izany sy ny rahona irony toa

     Mikopaka anao, mikopaka anao

     Ny bitsiky ny rivotra miritsoka any ho any toa

     Miventy hoe avia, miventy hoe avia

     Avia, avia, avia hilalao



     Ianao, eny ianao izay mitalaho, avia mifalia

     Faingana é! miandry anao izao tontolo izao, herezo ny dia



(solo lahy)    Eny fantatro ianao fa mbola voaratran’ny lasa

(solo lahy)    Kanefa, ovay ho vao, ny ratra kobonina

(duo lahy sy vavy)   Dia zary mandratra



(duo lahy sy vavy)

     He tomarataratra ilay volana eny ambony toa miantso :

     Ndeha hilalao, ndeha hilalao

     Ny kintana amin’izany sy ny rahona irony toa

     Mikopaka anao, mikopaka anao

     Ny bitsiky ny rivotra miritsoka any ho any toa

     Miventy hoe avia, miventy hoe avia

     Avia, avia, avia hilalao




Partager ndeha hilalao

Commenter ndeha hilalao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BARIJAONA

Suite