4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao sy izaho - R'InA

Tsy sendrasendra
No nihaonantsika roa
Lahatra angamba mety ho anjara
Tsy haiko aloha
Tsy maty ao am-po mamaky loha
Tsiambara telo ihany koa
Ho ahy sy ianao

Nofidiako ianao
Tsy hoe natao kilalao
Fa mamin'ny fo ka ahoana moa
No nisy ilay
Andro iray tsy fantatro
Lalana iray tsy hay moa : sampanana

Dia samy lasa avokoa nihodina
Nifarana tamin'zay ilay tantara

Ref : nefa anie raha izaho
Dia mbola tia anao
Ianao koa fantatro fa toa ahy
Ka ny loha tsy hay lazaina
Mila ho vaky ny fo
Tantara nandalo angamba
Ny antsika roa

Mitamberina indray
Mamelona tsiahy ny taloha
Tsy hay tokoa nahoana moa
No nisy ilay
Andro iray tsy fantatro
Lalana iray tsy hay moa : sampanana
.......................
Dia samy lasa avokoa nihodina
Nifarana tamin'zay ilay tantara

Ref (2fois) : nefa anie raha izaho
Dia mbola tia anao
Ianao koa fantatro fa toa ahy
Ka ny loha tsy hay lazaina
Mila ho vaky ny fo
Tantara nandalo angamba
Ny antsika roa
...
Tantara nandalo angamba
Ny antsika roa

Partager ianao sy izaho

Commenter ianao sy izaho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe R'InA