4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiran'ny voavonjy - Mpitory





1. Ny vesatry ny fahotako

   Nentiko t’anatrehanao.

   Tsy nisy iray nahavonjy ahy

   Afa-tsy ianao, ry Jesoa.

   Hianao no hany nahadio

   Namonjy ny fanahiko

   Foana tokoa ny teo aloha

   Nisolo fiainana mifoha



Na sarotra iafenana

Ny lasa nanenenana!

Ny hamamin’ny Fitia

Natolotrao ahy Kristy

Mitondra fiarenana.



2. Tsy haiko intsony ny manahy

   Tsy misy mahasakana ahy

   Tsy hampandre, sy hanome

   Izay rehetra avy Aminao



Sitrako koa mba ho Anao

Ny hafa toa ahy izao:

Ka ho babon’ny Fitia

Izay atolotrao Kristy

’Reo reraka an-dàlana...

Hahita fitsaharana





Ny Mpitory

Partager hiran'ny voavonjy

Commenter hiran'ny voavonjy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mpitory