4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lova - HERY J.

LOVA



Ny tsindrihazolena tsy zava-baovao a

Ka henoy ’zao ambarako anao a

F’ireo razantsika ’zay niaina taloha ô

Dia voazanaka sy niankin-doha a



Fa na diso izy ireo na marina

Marobe izy ireo no nozarina

Hankato tsy navela hiarina e e e e

Nodradraina fa ny hafa no tsara e

Fa ny fombantsika dia voarara e

Zay no lovan’ny dimby sy fara e



Raha mahatsiaro an’izany aho letsy a

Dia mba lasa fisainana e

Fa nahoana no maro ny fetsy a

Ka mandoto ny fiainana e

Fa ny soa sy ny tsara mazàna ô

Dia voahosy any an-tatatra e

Herin-tsandry na fanambakàna ô

No mandidy manapaka e e e



Ny ankehitriny dia mbola tsy niova ô

Fa nipetraka izany ho lova a

Fa mora manaiky sy feno halemena ô

Zay mangina hono volamena a



Fahendrena no fototr’izany e

Nefa saino sy diniho ihany e

Ilay tena fihodin’ny tany e e e eny ô

F’efa maro ny mpanararaotra ô

Mampiresaka hoe hampivoatra e

Fa ny ataony tsy dia izany loatra e



Ka mba dinidiniho re ry dada ô

Izahao vahaolana e

Marobe ‘reo akoho sadasada ô

Ilàna famotorana e

Ka ny efa nandratra ranaotra ô

Ialao sao handavo e

Raha indraindray ianao mba mitroatra ô

Angamba tsy ho tsiny amin’ny Avo (x4)

Partager lova

Commenter lova

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERY J.