4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasa any aho - Silo

Ity hira ity dia efa re

Taona telo raha be dia be

Hira toa mananihany

Miverimberina hatrany

Tsisy firy ny novaina

Fa ny eo no hatsaraina

Mety hiampy kely aloha

Fa atolotra ny fo



Ny resaka ho ambaranay

Tsy dia vaovao f’efa hay

Misy mantsy ny milaza

F’izahay dia efa rava

Ny hevitray dia mbola eo

Indreto izahay mampiara-peo

Hirahira te ho any

Mandra-piala eto an-tany



Lasa any aho nisidina ambony

Lasa any aho tsy hiverina intsony

Lasa any aho nisidina ambony

Lasa any aho tsy hiverina intsony



Hirainay ity hira ity

Hanoloranay fitia

Iangavianay anareo

Ny hanampianareo ref’veo

Hiara-hidera mantsy isika

Hanandratra ity mozika

Samy hanokatra ny fony

Rahatrizay rehefa any ambony

(beeeeeee)



Asa ianao raha te handeha

Hiara-hisidina ambony be

Hira iray tsy hohadinoina

Hokaloina sy hotsaroina

Asa izay mba hevitrao

Hiara-handeha sa hifandao

***

***



Asa ianao raha te-handeha (Lasa any aho

Hiara-hisidina ambony be     nisidina ambony

Hira iray tsy ho adinoina     tsy hiverina intsony)

Ho kaloina sy tsaroina

Asa izay mba hevitrao         (Lasa any aho

Hiara-handeha sa hifandao  nisidina ambony

***                        tsy hiverina intsony)

***

Yeah



Hirainay ity hira ity

Hanoloranay fitia

Iangavianay anareo

Ny hanampianareo ref’veo

Hiara-hidera mantsy isika

Hanandratra ity mozika

Samy hanokatra ny fony

Rahatrizay rehefa any ambony

Rahatrizay rehefa any ambony

Beeeee

Partager lasa any aho

Commenter lasa any aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Silo