4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tina - Silo

TINA



O ô… ô ô ô lay lay lay….

Henany izao, iha avao

diniho soa laha ta-ho anao

ndraik’andro any, ty ilako

le iha avao ro no ilako ho amato

le hisy anao, iaby ty tany

ty hanana tsy misy koa ty any

volako zao janjino soa

omeko anao iaby

ty ato am-poko atoa



o ô ô… ô ô ô lay lay lay….

Nefa izao ataoko akory

ianao kosa toa manorisory

izaho anefa ilay te hitia

ilaozanao misangisangy ery



Tsy halahelo anao fa hanadino anao

tsy ho tia anao intsony

ny mahita anao na eo anilanao

dia tonga feno sorisory

hirahira ihany fa tsy hoe tomany

mba tsy ho lasa lonilony

izay hihira izany na hisioka izany

dia ho sitrana ny fony,



ô ô ô ataoko ahoana

toa ianao indray no manaonao foana

ka ilay teny izay nomeko

laviko indray fa tsy ho ekeko



Amin’izao fotoana izao

miala tsiny aho raha handao anao

ny faniriana rehefa any aoriana

mbola ianao ihany no hantsoiko hoe tina

dia enga anie samy ho lehibe

ho ela velona ka samy handre

ity hira nataoko antsika

any sisa mba iarahantsika

amin’izao fotoana izao

miala tsiny aho raha handao anao

ny faniriana re’fa any aoriana

mbola ianao ihany no antsoiko hoe tina

enga anie samy ho lehibe

ho ela velona ka samy handre

ity hira nataoko antsika

any sisa mba iraisantsika


Partager tina

Commenter tina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Silo