4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hi dontsika - Silo

(extrait de l’album Rimo rimo)

Paroles et musique : Silo Andrianandraina



Indro ho henonao androany

Hirahira teny ho eny

Manetsiketsika ny ambany

aleo aloha tsy asiana teny

Mivadibadika eo nedala

Mivalambalana hafahafa

Tsy mozika adaladala

Fa natao andehandeha ho azy



Vazo iray mafanafana

Natao hanaitranaitra loha

Tsy azo atao ny mihanahana

Fa 5 = 3 ampiana 2

Dontsika dontsika do lery

Mibakabaka shabada

Ny "so" toa "la"

Ny "ré" toa "mi"

Danser-o fa owa owa owa



Raha manaiky ho namanay ianao

ka maheno hira vaovao

dia ho faly falifaly

mety ho hafahafa ny hiranay

hira adaladala fa tianay, tsy hay tsy hay

ndao mba hiara-hetsika indraindray

ndao mba hiara handihy amin’izay hira izay

raha mety dia ho fety

ka raha sahinao ny mankety

tsy ho lavinay ianao satria

tia mi-dance


Partager hi dontsika

Commenter hi dontsika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Silo