4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsiok'atimo - Silo

Tany,

tany atsimo tany indray

tany izahay, naka hery ho anay

any mantsy le, malaza maro raha

tsy hitanao fe, herin’ny fanahy



Any, any atsimo any re

dia mbola tany, azonao aleha

tany ho anao, feno ny hadalana

angalanao, izany fahalalana

any kosa, ny fakam-panahy

dia miavosa, nefa tsy manahy

soa hohaintsika, ny mpamaraky,

maro mahay fika, hitondrana anao



O o o tsioka avy any atsimo any

miakatra any fa tsy ho lany

rivotra mirimorimo

kay tsiok’atimo, bona malilo



Eto, eto afovoany eto

zahay niainga teto, ary mbola hiverina eto

ho eto indray, haka ’lay fofon-tany

fa tsy hainay, ny hanadino izany

ny indro kely moa, mety tsy ho eto foana

ho avy any aloha, raha misy ’lay fotoana

ho tonga indray, hitondra ny hafanàna

ny alizay, ho tonga eto @ tanàna



o o o tsioka avy any atsimo any

miakatra any fa tsy ho lany

rivotra mirimorimo

kay tsik’atimo, bona malilo



Tsioka avy any atsimo any

miakatra any dia hisy hatrany

rivotra mandehandeha ve

sa ’zay aleha dia mampihomehy

Partager tsiok'atimo

Commenter tsiok'atimo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Silo