4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Malahelo ny fo - Silo

Fa nifarana ny fialam-boly

Ka voatery hifandao izaho sy ianao

Nefa kosa ny any an-tsekoly

Tsy natao hanadinoako anao



Malahelo aho izao fa tsy misy azo atao

Toa tsy haiko ny tsy hahita anao

Malahelo ny fo fa atao ahoana moa

Antenaiko fa tia ahy ianao



Fa handao anao aho ra-maraina

Vohitsara no tanànako

Ny alaheloko anao tsy hay lazaina

Tiako ianao fa atao ahoana moa



Malahelo aho izao fa tsy misy azo atao

Toa tsy haiko ny tsy hahita anao

Malahelo ny fo fa atao ahoana moa

Antenaiko fa tia ahy ianao



Manantena aho f’indray andro any

Ho avy haka aty ianao

Dia hisinda avokoa ny tomany

ary ho haiko fa tia ahy ianao



Malahelo aho izao fa tsy misy azo atao

Toa tsy haiko ny tsy hahita anao

Malahelo ny fo fa atao ahoana moa

Antenaiko fa tia ahy ianao



SILO SY TIANA

Partager malahelo ny fo

Commenter malahelo ny fo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Silo