4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anjeliko - Silo

extrait de l’album Rimo rimo)

paroles et musique : Silo Andrianandraina



F’iza loatra ’reto vehivavy be dia be manontany ahy ?

Iza no mety ho akaiky indrindra ? Ka tokana

sipa hanolotra fiainana hanintona ahy

dia hotolorako fanahy malefaka



Izy ’ty vao tonga, ’ty mamonjy, manampy ahy

’lay very saina, malaindaina

toa manahirana ihany fa hoe

hanambady ahy, mba sahisahy

rahoviana angaha no mba ho avy ’lay tena andrasako

tsy avy aiza, tsy avy aiza fa tolotra avy amin’ilay Ray tsitoha

Firy aminareo no handray ity tanako ity

iza aminareo ary no hanaiky ilay fitia

ka hanadino ireo ditrako tety

hitady fahendrena hiaraka amiko,

anjeliko



Izy ’ty vao tonga, ’ty mamonjy, manampy ahy

’lay very saina, malaindaina

toa manahirana ihany raha avy hatrany dia

samy olombelona, no hifamelona

rahoviana angaha no mba ho avy ’lay tena andrasako

’lay fotoana iray hanatrehako ilay mba ho anjarako

Firy aminareo no handray ity tanako ity

iza aminareo ary no hanaiky ilay fitia

ka hanadino ireo ditrako tety

hiaina ampahendrena hiaraka amiko

anjeliko



Olona ihany, fa manam-panahy

Antsoiko hatrany, dia manantona ahy

Hanampy ahy, handrindra ireo feo

Hanoro ahy, hamafa ny teo

Tempoly iray, mitoetra ao anaty

Fitia iray, tsy mety ho faty

Milaza mangiana, ny fifaliana

Mitory fitia, tsy hay ho valiana



Ianao ’lay voatokana ho ahy irery eto an-tany

Ianao ’lay anjely hitondra any ambony any


Partager anjeliko

Commenter anjeliko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Silo