4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Resaka samy isika - Silo

(extrait de l’album MIFANDAMORO de SDF, le groupe fondé par Silo)

paroles et musique : Silo Andrianandraina



Hariva ny andro tam’zay

Tanaty efitrano kely iray

Izaho sy ianao toa mangigngina

Nefa koa toa sondriana

Nifampijery aloha

Hilaza ao am-po

Fa tiako ianao, IANAO TIA AHY

Tsy misy ny mampanahy



Isika dia sahy tamy izay

Fa vonona hifandray

Hifanome aina hifanome fo

Ho lafatra tokoa

Natopatopanao ilay volo saritakao

Dia niantso ianao ? nikipy ianao

Ayayaya...



Toa maizina avokoa

Ny ankoatran-tsika teo

Fa ny hafanana no hazavana

Nandrakotran-tsika teo

Dia lasa toa tsy tana

Toa tsisy fiafarany

Na izaho na indry

Difitry ny fitia



Toa tsy eto an-tany

Fa any andanitra any

Toa mandihy mifankatia

Ny anjely aza nankafy

Reo sentosentonao

Sy antsoantsonao

Mitalao mitaraina

Ayayaya...

(pa’bizoin pa’le - pa’bizoin pa’le)

Partager resaka samy isika

Commenter resaka samy isika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Silo