4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny alohan'ny hatory - Silo

NY ALOHAN’NY HATORY



Anio ’lay andro iray

fahatsiarovantsika roa

indray ririnin-dasa izay

ny lalantsika no niandoha

tsapa izao ankehitriny

fa nisaraka izy io

ireo vetsovetso fanao fahiny

avelao mba hadio

mifanalavitra isika

samy mbola mety ahatsiaro ireny

ampy anefa izay vita

’reo sary koa hanampy hiteny



Source: http://www.silo-sdf.com



’sika tsy hifankatia intsony f’aleo hangiana

mahatsiaro anao foana anefa aho eny am-pandriana

tsy hay adinoina mantsy ireo fanao taloha

ny alohan’ny hatory sy rehefa mifoha



Betsaka loatra ireo ditra

’zay nisangian-tsika tany

variana teo kinanjo ritra

nandraiky narary dia tomany

hamaranako izany

teny mamy ho antsika roa

mbola hihaona isika any ho any

ka aleo manadio fo



indraindray mantsy mety hiaraka eny ihany

hiaraka indray ampatsiahy ireo andro mamy

haverina kely ny fanao tany aloha

ny alohan’ny hatory dia rehefa mifoha



’sika tsy hifankatia intsony f’aleo hangiana

mahatsiaro anao foana anefa aho eny am-pandriana

rahoviana ihany vao afaka any an-doha

ny alohan’ny hatory sy rehefa mifoha

ny alohan’ny hatory dia rehefa mifoha

ny alohan’ny hatory…

Partager ny alohan'ny hatory

Commenter ny alohan'ny hatory

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Silo