4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsindri-mandry - Iraimbilanja

Tsindri-mandry
Tsy nahavita asa firy izy androany
Valabalaka lasa vinany
Tsy nahitana teny firy izy tamin'izany
Ny sainy toa lasa any ho any

Nilanja angady izy
Na nitaona ireo akama mpiasa tany
Namonjy havoana
Mba hitazana an'ilay akany

Tsindrin-daona izy hamonjy ny tanana
Misy tsy salama angamba ny akama
Ny lohataona aza lasa manara
Volon'andro milaza fambara

Nahita setroka izy
Setroka mitelina ny tany
Nisy afobe mijoalajoala
Mandady manantona ny akany

Tsidri-mandry, antsom-pitia
Feo toa miantso hoe avia
Tsindri-mandry, antsom-pitia
Feo malaky toy ny antso an-tariby

Partager tsindri-mandry

Commenter tsindri-mandry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite