4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ikotofetsy sy imahakaha - Iraimbilanja

Indray andro tsena

Tsena fararano

No nanomboka ny angano

Injao renao mihoaka

Manaitra ny vahoaka

Mpivarotra angady iray

Angady amidy mora

Mba tsy handany ora

Sao re hanenenanao

Angady tanimanga

Nolokoina manja

Indreo mirentirenty eo



F’izy no Ikotofetsy sy Imahakaha

Fetsifetsy sy mailaka             (indroa)

Tantara indray (indroa)



Nirohitra ny mpandalo

Ka tena iray sy valo

Dia tapitra ny angady teo

Ny ahy voron’ala

Takalo tsy misy hala

Amin’ny angady iray

Takalo vita ho azy

Dia samy naka ny azy

Nifanao veloma hatreo

Namonjy ny fodiana

Fa efa samy liana

Hanandrana ny vaovao



F’izy no Ikotofetsy...



Nosokafana fa maika

Hay va re ka goaika

Nikopaka dia nandao

Natsatoka ny angady

Tapaka sahady

Ny tahony natao kitay

Anatra ho antsika

Milaza ho be fika

Tandremo fa ao ambadika ao

F’ingahy Ikotofetsy

Sy Imahakaha lehiretsy

Tsaovy fa eo anilanao

Partager ikotofetsy sy imahakaha

Commenter ikotofetsy sy imahakaha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite