4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bebenay - Iraimbilanja

Tokontany sisa no falehany

Vodilanitra no zara fa tazany

Zafikely sisa no mba namany

Misangisangy sy mihaino ny tantarany



Tongotra efatra no nandadizany

Tongo-droa no nivezivezeny

Tongo-telo sisa no milahatra

Miampy tehina iray zay ro tsy hilatsaka



Bebenay efa manjoko

Ny volony aza efa niova loko

Mitantara angano rehefa hariva

Hoentina hiandry ny ampitso



Mbetika izy no mitomany

Mahita setroka miakatra any ambony any

Reo lova be zay novoleny

Ny mandoro ny tanety, zavatra tsy ekeny


Partager bebenay

Commenter bebenay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite