4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bekotro - Iraimbilanja

Tsy nierany fa tonga dia nentiny

Ireo lehilahy matanjaka sy vatony

Nentiny niampita ny valam-parihy



Tonga tany dia nampilahariny

Nomeny fanamiana sy fitaovam-piadiana

Dia nalefa tery aloha tery

Izy ireo no Bekotro maroholatra

Niady tamin’ny mpanjanaka

Misaotra anao ry Bekotro maroholatra

Nandresy ny matanjaka



Vita ny ady dia niverina taty

Ireo rehetra siasa, tsy maty tany

Nitondra ratra, takaitra sy galona marobe



Tonga tety izy ireo dia nitantara

Fa ireo mahery miseho tena ho Dada

Dia mbola mila ny fanampiantsika ety



Nanomboka teo, nivadika ny tantara

Fa ireo Bekotro, tsy nisalasala

Avy hatrany dia nitaky ny fahaleovan-tenany



Tsy nierany tonga dia nentiny

Ireo lehilehy matanjaka sy vatony

Nentiny niampita ny valam-parihy

Partager bekotro

Commenter bekotro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite