4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eto an-tany - Silo

" ETO AN-TANY "





N’aiza n’aiza, na ho aiza isika

dia mbola eto ihany

Na mankaiza na mankaiza isika

Dia mbola eto an-tany

Hifankahita eo foana, hiara hilalao eo

Raha hiandry, iray no hiafarana

Raha jerena akaiky

Niala tany dia hiverina any

Tsisy ho taraiky

Hifankahita eo foana, eo ’ndray isika mihaona



Chorus: Samy ho tonga any an-danitra any

             Raha ny sitra-pony

             Samy tsy hisy ho very intsony

             Samy hahatsapa fa maharary ny fahoriana

             Samy ho tojo tojo fifaliana

            

’Ndao hiray, isika ho tafaray

Dia ho sambatra

Fo iray sy fanahy iray

No hatabatra

Lasa be dia be, fitiavana be

Hihiaka isika, hankafy azy isika

Mba hety hatrany

Na faly isika, na tomany isika

Dia hitohy hatrany, fiainana mamy

Mamy teto an-tany

ohouohouoh



Refrain : Tiako ianao, ianao tia ahy

             Fiainako rehetra ho anao, fo sy fanahy

             ’Reo namanao nomenao ahy

             ’zay havanao zarainao ahy

             Tiako ianao, tsara fanahy

             Ny tenako rehetra ho anao, fo sy fanahy

             ’Reo namanao dia ho namako

             ’Zay havanao anilako



N’aiza n’aiza, na mankaiza isika

Dia mbola eto ihany

Na ho aiza, na ho aiza isika

Dia mbola eto an-tany

Hifankahita eo foana, eo ’ndray isika mihaona

Raha hiandry, iray no hiafarana....



Refrain : Tiako ianao, ianao tia ahy... (2fois)



Chorus : Samy ho tonga any an-danitra any

             Raha ny sitra-pony

             Samy tsiy hisy ho very intsony

             Samy hahatsapa fa maharary ny fijaliana

             Samy ho tojo tojo fifaliana





                                                    Silo Andrianandraina


Partager eto an-tany

Commenter eto an-tany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Silo