4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa masina - Rija Rasolondraibe



Avo dia avo ny fiandriananao

An-tànanao izao tontolo izao

Afo mandoro ny masonao mijery

Ambonin’izay mety ho hery Ianao



Fa masina Ianao

Masina Ianao

Voninahitra no lapanao



Andriamanitra Ianao ka ivavahana

An-tananao ny fanapahana

Ny tavanao no tena Fahazavana

Fiainana sy famelana Ianao



Manakoako izao sy ao an-danitrao!

Mihira ny voninahitra

Ny mahery rehetra miaiky ny herinao

Fa Tompo sy Mpanjaka Ianao !


Partager fa masina

Commenter fa masina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite