4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fohazy ny foko - Rija Rasolondraibe



Manana fanantenana aho

Fa Ianao tsy handao ahy

Fantatrao ny hetahetan’ny fanahy

Manantena, famonjena



Fohazo ny foko

Hihaino ny any an-danitra

Hankato ny feo, ny Fanahinao

Fohazo ny foko

Hitsaoka indray

Hankafy ny antranon’ny Ray

Ho ankaikin’ny Fonao mandrakizay



Na maina, na karakaina

Maniry aho handray aim-panahy

Ranon’aina , rano ho hery ho ahy

Hiboiboika ho velona indray



Mba zaro aho , eny ampianaro aho

Hahalala ny fanjakanao

Ho oram-panala feno aim-baovao

Ranon’aina avy an-dapanao


Partager fohazy ny foko

Commenter fohazy ny foko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite