4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Am-pelatananao - Rija Rasolondraibe



Am-pelatananao manombok’izao

Ny eritreritro, ny  fihetsiko  sy  ireo  fomba  fanao

Aza avelanao  ho resy raha toa  misesisesy

Ireo fankam-panahy mamandrika  ahy





Ref : Ianao  ny   heriko   raha  mafy ny  manjo ahy

       Fa famelana  fahotana ianao, afaka  ahiahy

       tsy  fitsarana na  fangejana fa fo onena

       Hizara famonjena





Raha  sendra ka  mianjera  aho  

Ka trotraka  ny  dia , lazao  ahy fa  ianao

Tsy  miova  ny  fitia ,  amboary  ao  anatiko ao

Fitia  vaovao  tsy  mety ho  very  fa  mahery





Ref ...





Homeko  anao  ny  fiainako  sy  izay  momba  ahy

Ny hatanorako  ny  heriko  ny  foko  sy  fanahy

Ekeko  izao  tsy  hanompo  tompo  hafa  satria

Tsy  ho voafafa  ny  rà  oh  oh oh  ...

Ny  herin’ny  fitia


Partager am-pelatananao

Commenter am-pelatananao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite