4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antsoantso - Rija Rasolondraibe

Maro ireo efa nandà ny fanasana
Niantso azy ireo mba hiara-hikorana
Maro ireo efa nandre
Fa vitsy no nilaza hoe
Hamaly ny antso fa fifaliam-be

Refrain:
Tsy hiato hiantsoantso anie aho satria
Mamy loatra hoy aho ny miara-dia
Tsy dia hoe manan-kolazaina lava izao
Fa mba faly aho
Raha ho any koa ianao
Ianao mihitsy mantsy no nasainy
Ianao mihitsy no mba nantenainy
Koa raha mbola misy koa ny azo atao
Tena faly aho raha ho any koa ianao

Hikatona ny vavahadin'ny Lanitra
Hanomboka amin'izay ny asaramanitra
Ireo nantsoina tsy namaly
Tavela ivelany hijaly
Fa fahoriana sy nenina no any

Partager antsoantso

Commenter antsoantso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite