4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Very vakana - Naka Rabemanantsoa

o ry zavavy e! o ry zavavy e!

zavavy, zavavy, aza fady zavavy!

nankaiza ny vadinareo

raha tianareo mba lazao



o ry zalahy e! o ry zalahy e!

zalahy, zalahy, aza fady zalahy!

izy anie ry zalahy ka lasa nandrato any an’ ala

itafianay soa soa

raha sendra maty anao ahaona?

fonosy ravin-tatamo

tsy mahafono azy izany

e, e, e, lahy e!

savasavain’ ny ratsy

hihavian’ ny soa ry zalahy

izany indrindra izany zareo



very vakana izahya ry zavavy!

vakana inona moa?

jijy kely sarobidy ry zavavy

ambarao ka lazao

fa sao mba hitananrareo ry zavavy

dia ny fitandroana ny marina

ary ny fitanana ny hitsiny



andeha re mba hiara- mitady

fa osa izahay ka tsy mahalia lalana

andao fa hiaraka isika

andao re mba hitady ny marina

f’ izany ihany no tena mampiadana

Partager very vakana

Commenter very vakana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naka Rabemanantsoa