4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Afa-po - Naka Rabemanantsoa

afa-po, tahaka ny fangala-piery

tofoka, ka dia hisaraka ihany

aleoko singan’ olo-manirery

toy izay roa ka hifampahory

fantatrao ny efa tsy fitiavako

ka ny mety dia misaraka ihany

ka andeha vonjeo ilay toeranao fahiny

nakipaky ny hafa ianao

ka mba akipakay





mba henoy izay zavatra ho teneniko

fa aza dia sendaotra ambony ihany

na tsy tianao aza ny tenako, nderamatoa o!

ny soa nifanaovana ataovy ao an-tsaina

ianao ny namoizako ny hafa

ianao no efa nantenaiko

avelao aho mba hialokaloka eto

ny andro efa alina o, ny tenako malemy





nakipaky ny hafa ianao ka mba akipakay

Partager afa-po

Commenter afa-po

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naka Rabemanantsoa