4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tongava - Naka Rabemanantsoa

tongava, ry andro korana

hihaonan’ ny tia sy ny tiana

hanaovana fety mafana

ho andro fifalifaliana



tongava ry andron-dalao

aza ela figadona manko

fa izahay efa maika hanao

ny antsa sy hira manako



tongava ry andro malaza

’lay tokana hoatra ny zato

hifaly hatramin’ ny zaza

hirebika tsy mba hiato



tongava r’ ilay andro soa

’lay andro tsy misy toa azy

ilay andron’ olona roa

ny andron’ ilay mariazy

Partager tongava

Commenter tongava

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naka Rabemanantsoa