4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Veloma ry saïd omar - Naka Rabemanantsoa



Dia veloma o, ry Saïd Omar

Fa hisaona anao ilay voafitakao

Ka masina indrindra re

Fa izao no farany



Fa diso fifidy

Ka tratry ny nenina

Kapoaka mangidy

No sisa atelina



Ho lavo tsy afa-mijoro

Ny voafitaka toa ahy

Voarebirebin’ ny hevitra

Ankosoka feno renty



Tahaka ny afon-jozoro

Ny fitiavana maloto

Miroborobo firehitra

Fa levona vetivety

Partager veloma ry saïd omar

Commenter veloma ry saïd omar

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naka Rabemanantsoa