4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nataoko mihitsy - Naka Rabemanantsoa

Nataoko mihitsy ny hanadinoina

’Lay olo-malalako tsy manoloana

Kanefa ny làla-niaraha-nizotra

Manainga ny sentoko hipololotra



Nataoko mihitsy ny handinoina

Ilay any lavitra tsarotsaroana

Kanefa ny rano niaraha-nitana

Tazatazaniko lava eo andrefan-tanàna



Ho giazako mafy ny fo sy ny saina

Ho giazako fa sao dia mararin-taraina

Kanefa indrisy sarotra izany

Nihoatra ny bonga sy lasana ihany

Partager nataoko mihitsy

Commenter nataoko mihitsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naka Rabemanantsoa