4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dobla sento - Naka Rabemanantsoa

midona aman-kalo ny oran-ko avy

miafana kely ireo olo-manavy

ny fanantenany fa ho mando ny tany

no toa hampitony ny maso tomany



ny fo diso tiana, ny fo sara-tiana

manomboka kosa hisento mangina

mandefa ny sento hamaky ny foana

miampita ao an-tsofin’ ilay tsy anoloana



injany midina Ankaratra irony

na manembona mantsy ny fony

ny fon’ ilay tiana ka lavitra izany

dia tsy mba mionona, tsy mety mitony



ny fo mitempo mihevitra koa

hanala ny sento tsy toha

fa dobla sento mandeha iray dia

ho tonga santionan’ ny fo mifangia

Partager dobla sento

Commenter dobla sento

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Naka Rabemanantsoa