4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tandindona - KINTANA TELO

Nankaiza ny akon’ny omaly

No sento no hany mamaly

Nindaosin’ny andro nandeha

Tandindona lasa tsy re

Tomany ny fo mahatsiahy

Hankaiza intsony ry lahy

Fa izy natao hiara-dia

No namadika dinam-pitia



Ry fitia !... mandatsa ianao

Fa tsy hipody ny lasa izao

Nankaiza ny akon’ny omaly

No sento no hany mamaly

Nindaosin’ny andro nandeha

Tandindona lasa tsy re !!!

Partager tandindona

Commenter tandindona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe KINTANA TELO