4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maso mijery - KINTANA TELO

Ny hita rehetra tsy mendrika ho vady

Fa fomban’ny hendry no manadihady

Kanefa na inon’izay nokasaina

Rehefa tsy anjara misaraka maina (in-2)  



Adidin’ny tia no maniry ho tiana

F’izay no miteraka fanambadiana

Ny saina mitovy ny fo tafaray

No mety hifanaraka mandrakizay



Satria tsy mba fantatra izay ho rafozana

Ka aleo re ny haja no hifanankalozana

Arahabarabao ny mpandalo

Fa aza hihomehezana

Harabao ny mpandalo fa aza hihomehezana

F’andrao amin’ireny ny ho taolantehezana

Partager maso mijery

Commenter maso mijery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe KINTANA TELO