4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy fetrany ve ? - KINTANA TELO

Misy fetrany avokoa izao rehetra izao

Ka ny andro mibaliaka mbola ho aizi-mitatao

Fombam-piainana eny izany nefa hatraiza ny fitia

Manontany tena foana : misy fetra sa doria



O! ry vintana, ô ry ampitsoko mba lazao

Raha mba fantatrao na sombiny aza ambarao

Manontany hatrany hatrany nefa kosa ianao

Tsy mivolana mangina ao anatiko ao



Misy fetrany avokoa izao rehetra izao

Ka ny alina aninkeheo mbola haraina vaovao

Fombam-piainana eny zany nefa hatraiza ny fitia

Manontany tena foana: misy fetra sa doria



Ô! ry vintana, ô ...

Partager misy fetrany ve ?

Commenter misy fetrany ve ?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe KINTANA TELO