4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nankaiza re !!! - KINTANA TELO

Injao fa mifoha

’Reo akon’ny taloha

Mikaroka ny ela

’Zay sisa tavela



Nefa aloka no sisa

No namisavisa

’Reo zava-boakasa

Takonan’ny lasa



Sento mangina

Ny fo lavi-tiana

No manako any ho any

Sy te-hanontany



’Reo andro taloha

Sao mba nifoha

Nefa sento tomany

No setrin’izany



Ny zava-drehetra

Dia manam-petra

Ny alina aza

Dia hisolo mazava



’Lay fitiavako koa

’Zay mbola matory

Dia tsy ho ela tsy akory

Dia tsy maintsy hifoha

Partager nankaiza re !!!

Commenter nankaiza re !!!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe KINTANA TELO