4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mety ho afa-po - POOPY

Tsy mety ho afa-po
Raha olombelona
Mandeha mampiasa loha
Tsy mahay miomana
Tsy mety ho afa-po
Raha olombelona
Mitady vetso-po
Noho izay an-tanàna
Tsy mety ho afa-po
Raha olombelona
Mandeha mampiasa loha
Tsy mahay miomana
Tsy mety ho afa-po
Raha olombelona
Mitady vetso-po
Noho izay an-tanàna

Indro lasa mahavatra
No manao ny tsy fanao
Mba hitovy na hihaotra ny atao
Ka ny fomba
Ho enti-manana aza
Toa tsy rariny
Efa azo izay ilaina
Ampy izay

Tsy mety ho afa-po
Raha olombelona
Mandeha mampiasa loha
Tsy mahay miomana
Tsy mety ho afa-po
Raha olombelona
Mitady vetso-po
Noho izay an-tanàna

Indraindray, mampanahy
Lasa lavitra
Ireo fefy natao
mba ho tony ny tiana
Niova toetra
Tsy voafetra izany faniriana
Ny an'ny hafa
Toa tsy maintsy tsindriana

Tsy mety ho afa-po
Raha olombelona
Mandeha mampiasa loha
Tsy mahay miomana
Tsy mety ho afa-po
Raha olombelona
Mitady vetso-po
Noho izay an-tanàna

Ndeha mamono eritreritra
Mihitsy moa ianao.
Fa tsy maintsy
Hitovy amin'ny hafa
Toa adino ny rehetra
Tsara izay natoro anao
Fa mahery izany ny faniriana

Indraindray, mampanahy
Lasa lavitra
Ireo fefy natao
mba ho tony ny tiana
Niova toetra
Tsy voafetra izany faniriana
Ny an'ny hafa
Toa tsy maintsy tsindriana

Tsy mety ho afa-po
Raha olombelona
Mandeha mampiasa loha
Tsy mahay miomana
Tsy mety ho afa-po
Raha olombelona
Mitady vetso-po
Noho izay an-tanàna

Partager tsy mety ho afa-po

Commenter tsy mety ho afa-po

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe POOPY

Suite