4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aoka ihany - Poopy

REFRAIN:Nandalo teo toa nitady hono ianao
            Nidobodoboka ny foko injao
            Ho to ihany ve ilay faniriako
            Ka ho tia ahy koa ilay olona tiako
            Izany izaho toa tsy mandia tany
            Ka sady faly no toa te hitomany
            Mihovitrovitra ny anaty rehetra
            Sao ho nofy ihany izany ka misy fetra

Inona anefa no 'deha antenaiko
Mifendrofendro toa miha-kely ny aiko
Sao sanatria tsy fitiavana akory
Ty antsonao efa tsy mampatory

REF:

Nihazakazaka nitady anao
Sao tsy hiverina in-droa ny toa izao
Nisalasala toa manadala
Ahoana raha tsy tia ahy ianao
Inona ary no nitadiavanao
Tsy fombafombanao ny toy izao
sao zavatra hafa ilainao tafa


         Tsy ho any indray aho sao marin'izany
         Hahamenatra ahy ny ahita anao hitomany
         Ny tsara angamba dia aleo aho mody
         Ka manadino anao no fanafody

REF:

       Inona no hitadiavanao ahy

Partager aoka ihany

Commenter aoka ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite