4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Afa-po - Poopy

Heeyy ! hisy fotoana ahatsiarovanao

Ilay fitianavana, nomeko anao

Heeyy ! hisy fotoana ho tsapanao,

Izany atao hoe tia

Fantatro aho fa tsy lafatra

Toa mbola lavitra, izay andrasanao

Satria, aho tia, niezaka aho anao izay tia anao

Saingy efa lany ela nga ny mamy tany

Ny mangidy no navelanao ho ahy

Sa tsy foinao ho anjarako izany mamy izany

Ka naleonao aho nitomany



Tsy nanenenako ny nitia anao

Afa-po aho, nanome ho anao,(ho anao)

Fa mbola hisy tena ahatsiarovanao ilay fitia

Ilay tena tia …

(Mandehana tsy amin’ ahiahy)

(Faniriana fa tsy nety ny ahy)

(Mandehana tsy amin’ ahiahy)

(Ampy ho ahy izay nomeko anao)

(Fa ny aty anataneraka)

(Antenaiko mbola ho tsapanao)

(Ka ho tsara no ahatsiarovana ho ahy)



Ary amin’izay fotoana ho avy iray izay

Mety ahatsiaro ianao

Hisy tsikitsiky iray malefaka eo imolotrao

Ka ho tsapanao ilay fitia



Tsy nanenenako ny nitia anao

Afa-po aho, nanome ho anao,(ho anao)

Fa mbola hisy tena ahatsiarovanao ilay fitia

Ilay tena tia …



Tsy nanenenako ny nitia anao

Afa-po aho, nanome ho anao,(ho anao)

Fa mbola hisy tena ahatsiarovanao ilay fitia

Ilay tena tia …



(Mandehana tsy amin’ ahiahy)

(Faniriana fa tsy nety ny ahy)

(Mandehana tsy amin’ ahiahy)

(Ampy ho ahy izay nomeko anao)

(Fa ny aty anatanteraka)

(Antenaiko mbola ho tsapanao)

(Ka ho tsara no ahatsiarovana ho ahy)



Ary amin’izay fotoana ho avy iray izay

Mety ahatsiaro ianao

Hisy tsikitsiky iray malefaka eo imolotrao

Ka ho tsapanao ilay fitia



Tsy nanenenako ny nitia anao

Afa-po aho, nanome ho anao,(ho anao)

Fa mbola hisy tena ahatsiarovanao ilay fitia

Ilay tena tia …



Tsy nanenenako ny nitia anao

Afa-po aho, nanome ho anao,(ho anao)

Fa mbola hisy tena ahatsiarovanao ilay fitia

Ilay tena tia …



Tsy nanenenako ny nitia anao

…….

Fa mbola hisy tena ahatsiarovanao ….
















Partager afa-po

Commenter afa-po

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite