4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dieny zao - Poopy

Ny tahotra ny tompo Andriamanitra

No fiantomboham-pahendrena haharitra

Ny tenin’olon-kendry dia voalanjany

Ny adala no tsy mandanja izay ambarany



Izay rehetra mino an’Andriamanitra

Dia mila mahalala tsara izay voafaritra

Fa mila mahafantatra ny teniny

Mba tsy ho diso lalana hania.



Ref: Fa tsy misy very izay rehetra mandeha

Raha @ iny lalana mahitsy iny anie

Koa dieny zao,raha mbola velona tsy tara ianao,

Miandry anao ny tompo tia.



Toa lasa mahavariana mahatalanjona ery

Ny zava-bitantsika ety an-tany ety

Fa ilay fandalovan’i Kristy tety

Toa zary adino toa ny tsinontsinona ery



Nefa, izy no ilay teny tsy mivadika

Izy no sady toky sy maharitra

Izy miandry anao hanolon-tanana

Dia handray ka hiara-dalana.



Ref....(x2)



Fa izy no teny tsy mivadika

Izy no toky sy maharitra

Izy miandry anao hiverina indray

Koa dieny zao dia tapaho

Ho aiza no tianao?



Ref...

Fa tsy misy very izay rehetra mandeha

Raha @ iny lalana mahitsy anie

Ka raha mbola velona tsy tara ianao

Miandry anao ny tompo tia



Miandry anao, ny tompo tia

Miandry anao.



POOPY


Partager dieny zao

Commenter dieny zao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite