4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Diavolana - Poopy

Ankizy maro milalao
Toa ravoravo tokoa
Lafatra izao fiainana izao
Ny hafaliana mameno ny fo

Mamy ny hatanaorana
Tsy foy tsy tianay hialana
Nefa mbola misy ihany
Ny mamy noho izany

Asa raha mba tsaroanao
Ireo kilalao izay fanao
Ireo tena tsara sy kanto
Raha diavolana ny andro

Diavolana ny andro
Indreo ankizy milalao
Diavolana ny andro
Inona ary no atao

Raha hiaina indray ny taloha
Ilay fahazazana hifoha
Tadidy tsara tsy ho lany
Tsaroana eto androany

Jereo anie dadabe
Voadidin'ny ankizy marobe
Mitantara angano mahavariana
Iza mihaino sondriana

Partager diavolana

Commenter diavolana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite