4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tia foana (poopy feat. bodo) - Poopy

Toa tsy mahagaga

Ny toetranao efa malaza fa

Mora tia vao, avy eo mora lao

Toa tsy mahataitra

Ny fombanao na dia tsy laitra

Fa andrakandramanao izao rehetra izao



Toa mora adino, mora lefy avokoa

Toa haitraitra ihany fa tsy matotra ity fo



F’izany tsy mahasakana ahy

Ny mbola ho tia anao

Fa raha ny momba ahy dia

Efa matotra, raha ny fitiavako anao

Zany angamba no antony

Mahatonga anao tsy ahafoy ahy

Indraindray variana

Raha iny ianao ka manakiana ahy

Tsy ahitako izay rariny ny ambaranao

Indraindray anefa

Ianao ilay noheveriko efa nilefa tany

Toa tsy mahasaraka ahy

Fa haitraitra ihany mora lefy avokoa

Fantatrao ihany ny mampilamina ny fo



(k’izany no tsy mahasakana ahy…)

Marina fa tsy misy ny lafatra

Mbola eto ihany aho miandry

Miandry anao



Saingy hodianao tsy hita aho

Noho ny hambom-ponao

Fa toa resy hoy ianao

Rah ho ahy irery ianao



(k’izany no tsy mahasakana ahy…)



Mbola inty eto ihany

Ka mananatena sy miandry hatrany

Hiova ho Hendry ianao

Ho fitia, vaovao



Auteur : Poopy

Compositeur : Naivo

Partager tia foana (poopy feat. bodo)

Commenter tia foana (poopy feat. bodo)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite