4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mifalia - Poopy

MIFALIA

Mifalia, dia ataovy ampy  anao

Ireo izay tia, ka mankamamy anao

Mifalia dia hatanjao ny fo

F’ireo tsy tia, tsy maintsy misy koa avy eo ivoho



Mifalia, aza atao mahagaga anao

Ireo tsy tia, fa izy koa toa anao

Mba misy tsy tia, na dia mody tsy mahalala

Toy izany akia, hatrany ampiandohana



Indraindray ianao, tsy mahalala

Izay mety ho antony, ankahalany

Indraindray koa,toa mba variana

Raha tena tiany ianao , tsy hay oe nahoana !



Mifalia, dia ataovy ampy  anao

Ireo izay tia, ka mankamamy anao

Mifalia, dia ataovy izay tsy ialany

Ireo izay tia, ho tia hatrany hatrany



Raha tsy misy tonga lafatra aza

Mifalia, rehefa misy tia

Fa ny tsara indrindra rehefa voalaza

Ilay fitia, dia mahasambatra ery



Fa tsy misy na iray iany aza

Tena tia an’izao tontolo izao

Ilay Avo indrindra, avy any ambony aza

Misy tsy tia, sy be mpanenjika ery



Mifalia, ataovy ampy  anao

Ireo ‘zay tia, omeo fitia avy aminao

Mifalia, ataovy ampy ho anao

Ireo ‘zay tia omeo ny mamy avy aminao



Nananana… nananana …nananana…








Partager mifalia

Commenter mifalia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite