4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamelà ny helokay - Poopy

Ho mandrapahoviana
Ny molotray vao tsy handainga Aminao
Mba ho sitrakao
Ho mandrapahoviana
Ny masoanay vao hibanjina Anao

Fa toa tsy menata akory izahay
Hafa no ambara dia hafa no ataonay
Toa tsy matahotra intsony
Nefa tena manota Aminao
Henoy ry Ray

Ho mandrapahoviana
No hirehareha am-panahy izahay
Toa tsy menatra
Ho mandrapahoviana
Ny toetranay vao hodinihinay

Fa toy ny maty eritreritra
Hafa no ambara dia hafa no ataonay
Dia tsy mihevitra akory
F'efa tena manota Aminao
Dia manadino indrisy
F'izay rehetra misy dia avy Aminao
Mirehareha izaitsizy
Ho tena mpanompo matoky Anao

Mbola sahy mitanisa
Ny teninao sy ny didinao
Tsisy tahotra
Mbola sahy manantena
Ho ambininao sy ho arovanao

Tsy misy henatra intsony
Miteny ratsy ny anaranao
Satria maloto ny fony
Izay milaza ho mpanomponao

Miseho ho marina loatra
Ka lasa nitroatra izay nandao Anao
Ny foko ery no hanamboatra
Ny marina ho azy no arahiny

Dia manadino indrisy
F'izay rehetra misy
dia avy Aminao
Mirehareha izaitsizy
Fa tena mpanompo matoky Anao

Ho mandrapahoviana
Ny hambonay no handrendrika anay
Anatrehanao
Ho mandrapahoviana
No handavanay ny hadisoanay

Soa tsy lanilaniana
Ny fitiavanao sy ny faharetanao
Tena tia anay
Soa, ary izany sisa
No anantenanay ny famelanao

Ray o, amim-panetren-tena no iantsoanay Anao
Mamelà ny helokay

Partager mamelà ny helokay

Commenter mamelà ny helokay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite