4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vohitra manga - LUDGER Andrianjaka



Ny fahitako anareo

Manjary hahatsiarovako ny any

Ny any aminay, miverina ao an-tsaina avy hatrany

Ilay vohitra manga

Vao tazana manangasanga

Avy any ambadika lavitra

Manaitra sy mahafinaritra



Ny fahitako anareo

Tsy hitoetra fa sendra mandalo

Mampahatsiahy ny fahiny

Nikorana sy niara-nifaly

Tamin’ireo sakaiza

Sy ireo ray aman-dreny nitaiza

Miandry ny ampitso hatrany

Mandra-podiko hiverina ho any



         Mba vangivangio matetitetika raha azo atao

         Ny andro hihaonana sarobidy, hambarako anao

         Dia hotsaroana avy hatrany fa hay tsy dia very tsy akory

         Ny hifankahitana, manala ny sorisory

          

         Fidiny ve hoy ianao ka lasa nivarina an-tsiraka

         Ny fitadiavana mahazaka maniraka

         Ny tsy andehanana mody, mafy loatra ka aza manody

         Ny hany fanantenana

         Dia mbola hiverina ho any an-tànana

Partager vohitra manga

Commenter vohitra manga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LUDGER Andrianjaka