4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny adiadinay fahiny - LUDGER Andrianjaka

Ny adiadinay fahiny

Manjary ahalelovako azy

Mandainga izay tsy hanan-tsiny

Dia izany ve no hanjary ho sazy



Ny hijanonana tsy hiaraka

Hifandao sy hisaraka

Hifonako ny lasa

Izay heviny no asa



Vetsom-pitiavana ao anaty

Afo ao am-po tsy mety maty

No miantsoantso ka mihira

Miverena indray ka midira



Ny fisarahan-toerana ela

Mampitadidy ny andro lasa

Iza no tsy hifamela

Hanova ho tsara ny fikasa



Raha ho tapaka ny tady

Izay namatotra azy izay

Tsy ekeko raha ny adiady

No hamoizana mandrakizay



Fandalovana ny eto an-tany

Aoka re mba hifamela ihany

Vita ny hira ka indro aho manontany

Hody ve hono izany havako izany

Partager ny adiadinay fahiny

Commenter ny adiadinay fahiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LUDGER Andrianjaka