4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fikasana - LUDGER Andrianjaka

Izao no voady izay nataoko tsy maintsy tanako

Ho anao izay nametrahako ny foko mba ho namako

Ho tia anao n’aiza n’ aiza

Tsy misy fetra hoe  hatraiza

Hiombon-tsento sy fifaliana manomboka eto

Hohadinoiko ny lalao sy fiainako efa lasa

Hery vaovao no entiko mikasa

Hanorina ny ankanintsika mba ho paradisa

Na ho haingana na mbola ho ela ny andro sisa.



Mivoha sahady ny vavahady hidirantsika izao

Hifampitantana hiara-dia izaho sy ianao

Tsy nofy intsony ilay fiadanana

Fa ho zaraina samy hanana

Ny tiana tafaray amin’ny tia

Tsy hitako izay teny hilazana ny hafaliako

Tiako ianao eny tena tiako

Haorintsika anio ny ankany mba ho paradisa

Na ho haingana na mbola ho ela ny andro sisa.


Partager fikasana

Commenter fikasana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LUDGER Andrianjaka