4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nahoana no misy ? - LUDGER Andrianjaka



Nahoana no misy ny lanitra manga ?

Hilalaovan’ny rahona manangasanga

Nahoana no misy ny alina tony ?

Hamirapiratan’ ny volan’ eny ambony

Nahoana, nahoana ny tany no feno hoso-doko ?

Ravahin-tsahondra sy felan’avoko

Nahoana no misy ny rano an’ony ?

Nahoana no misy ny hazo mamony ?



Raha fantatrao ny mampisy azy ireny

Kalo mangina fa tsy mba miteny

Bitsika moana sy hira miloko

Sary mivaingana atao rindram-peo

Raha fantatrao ny mampisy an’ireo

Dia ho fantatrao,

Ho fantatrao ny antsan’ ny foko.



Ludger - Jeanne Naly

Partager nahoana no misy ?

Commenter nahoana no misy ?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LUDGER Andrianjaka