4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Takariva - LUDGER Andrianjaka

Takariva mahamanina ny andro

Madiva dia hody ny masoandro

Efa dodona ny vorona mandalo

Malahelo any aho ka aoka hikalokalo



Ho afak’aiza moa fa singany irey

Mba te-hanidina aho kanefa tsy ampy hery

Raha mba nanan’elatra aho dia namangy anao

Tsy andry fa izao ankehitriny izao



Indro fa nidify ilay masoandro teo

Miha maloka ny andro sy ny tany

Kitan-kely mitsilopy eo ambony eo

Izay antenaiko fa ho tazana any ho any



Ny angatahiko hibaiko izany foko

Dia hihonona angina tsy hitoloko

Mbola ho avy ny maraina hitondra ho ahy

Aina vaovao hamelombelona fanahy.



Ludger- Ossy

Partager takariva

Commenter takariva

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LUDGER Andrianjaka